Voasazy higadra folo taona sazy mihatra, taorian’ny fitsarana azy, tao Fianarantsoa, omaly, ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona niharan’ny fanolanana sy vono. Notanana am-ponja nanomboka ny volana mey 2023 noho io tranga vono olona niharo fanararaotana ara-nofo ny lehilahy. Tsy olon-kafa fa zanaky ny rahalahin-drainy, izay zazavavy vao 6 taona monja, ilay niharan’ny famonoana tamin’io fotoana io. Ankoatra io, voasaringotra tamin’ity raharaha ity koa ny reniny saingy noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana. Na izany aza, mandoa onitra mitentina 10 tapitrisa Ar amin’ny fianakavian’ny zaza namoy ny ainy ilay lehilahy voaheloka. Raha tsiahivina, hita faty 500 metatra tsy lavitry ny trano fonenany, tao amin’ ny fokontany Andohanimerina, Andrainjato, kaominina Fianarantsoa, io zazavavy io rehefa nifampikarohana andro vitsy, ny volana mey tamin’ny taon-dasa teo. Tsy nanaiky ny ray aman-drenin’ny zaza ka nampiakatra ny raharaha ary izao nahavoasaringotra tanteraka ny anadahiny izao.
Tsiferana R.