Mitsinjo sahady ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany ny kaompania Emirates. Hitombo ho indimy isan-kerinandro ny zotra mivantana mampitohy an’i Dubaï sy Antananarivo, mandalo Seychelles, raha inefatra, ankehitriny. Haharitra
4 herinandro izany, hanomboka ny 13 desambra 2024 hatramin’ny 10 janoary 2025. Isaky ny zoma ny zotra vaovao hataon’ ny fiaramanidina EK707 sy ny EK708, afaka mitondra mpandeha 1 800 fanampiny.
Vao mainka hitombo, noho izany, ny fahafahan’ny mpanjifa misafidy ny fotoana handraisany ny kaompania Emirates. Tsiahivina fa miisa telo ny sokajy (première classe, classe affaires, classe économique) azon’ny mpandeha hisafidianana ao anaty fiaramanidina, ahitana toerana 360 isaky ny zotra. Azo atao ny mamandrika ny tapakila any amin’ireo masoivoho mpikarakara mpandeha (Emirates World), na amin’ny internet (emirates.com).
Hanome fahafaham-po ireo mpanjifa marobe monina eto Madagasikara, manana fiaviana avy any ivelany, toy ny avy any Sri Lanka, Sina, Frantsa, India, sns, ity tolotra vaovao ity, satria mampifandray firenena marobe maneran-tany ny kaompania Emirates.
Njaka A.