Analakinina Hopitalibe : tranona kolonely indroa nidiran’ny jiolahy

Fahasahiana sy fihantsiana izay no azo ilazana azy! Trano hofaina kolonely iray ao amin’ny fokontany Salazamay Atsimo, mifani­la elanelan-dalana fotsiny amin’ ny tobin’ny zandary Salaza­may no lasibatry ny asan-jiolahy tato ho ato ary efa indroa, raha ny angom-baovao. Ny voalohany, tafiditra tao an-tokantrano ireo jiolahy ary efa teo am-pitaterana entana toy ny fahitalavitra, kojakoja an-dakozia, hatramin’ny lambam-pandriana sy varavarana no nisy nahatsikaritra ary niantso vonjy avy hatrany, nitsoaka ireo andian-jiolahy ary lasany avokoa ireo entana. Raha ny angom-baovao hatrany dia nisy basy fohy teo ambony latabatra tao an-tokatrano fa saingy tsy hitan’ireo jiolahy ve sa ninia tsy nalainy. Vokany, ny faran’ny herinandro teo, mbola niverina tao ihany ireo jiolahy ary efa tafakatra teny ambony rihana mihitsy. Sain­gy, nisy nahatsikaritra ihany koa izany ary mbola tafaporitsaka ihany ry zareo. Ny fiheveran’ireo mpanara-baovao ihany no manombana fa mety niverina haka ilay basy ity fiverenan’ireto jiolahy ireto fanindroany fa tsy tontosa izany. Ny fanadihadiana no nahalalana fa noho ny famindran-toerana azy dia tsy mipetraka ao an-toerana ilay manamboninahitra. Nahatonga ny vady aman-janany niala tao amin’ny toby izany ka lasa manofa trano tsy lavitra teo ihany.

Sajo/Yves R.
(Mpiana-draharaha)

Partager sur: