Hankalaza ny faha-10 taona nisiany ny Syndicat autonome eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, SACUA, raha ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ ny mpanao gazety tetsy amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Hatomboka amin’ ny faha-14 ny volana janoary 2025, eny amin’ny espace Rose, izany fankalazana izany. Antom-pisian’ny mpiasan’ny kaominina ny hanompo ny vahoakan’Antananarivo.
Ezaka ataon’izy ireo koa ny hampihavana ny vahoaka amin’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina. «Mila mamerina tamberin’andraikitra amin’ny vahoakan’Antananarivo izahay amin’ny asa izay ataonay», hoy ny filohan’ny sendika, Jaona Clément Nirintsoa. Tanjona ny ahafahana miady ho an’ny mponina sy ho an’ny fampandrosoana ny tanàn’ Antananarivo.
Mamolavola lalàna izy ireo
Efa mamolavola lalàna ny sendika ahafahana mametraka ny maha olona ho an’ny mpiasan’Antananarivo. Nambaran’izy ireo fa tokony ho samy hafa ny sokajy misy ho an’ny mpiasan’ny kaominina eto amin’ny Renivohitra sy ny any ambanivohitra. Nohamafisiny fa mora amin’ny olona ny manaja azy ireo rehefa manana ny maha izy azy ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny kaominina. Ankoatra izay, natao hanomanana ny resaka asa sosialy ny antony hanaovana ny fitadiavam-bola. “Mila manana asa sosialy ny mpiasan’ny kaominina satria tsy mivoaka amin’ny volam-panjakana izany. Tianay haseho amin’ny fitafy sy asa ny maha mpiasam-panjakana anay”, hoy hatrany izy ireo. Manodidina ny 1 000 mahery eo ny isan’ny sendika hatramin’izao, raha toa ka niainga tamin’ny 80 izany taloha.
Mino