Maro ny efa vita… Tsy vitsy ireo mbola miandry! Ny fahitana izany no nahatonga ny fanapahan-kevitra fa hanohy ny lalany ny Zanabaliha. Sokafana avy hatrany ireo sampana efatra misy ao aminy.
Fony fahavelony, nandray anjara goavana tamin’ny fampivelarana sy fanomezan-kasina ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny Pr. A. Rakoto Ratsimamanga. Tany amin’ny 30 taona lasa. Nitsangana ny Zanabaliha. Nekeny avy hatrany ny ho mpiahy sy ho filoham-boninahitr’ity fikambanana mikajy sy mampivelatra ary mikaroka momba ny kolontsaina malagasy ity. Sampana efatra no tao anatiny…
…Kabary, dihy sy hira malagasy, soratra ary valiha. Tapaka, omaly, nandritra ny fihaonan’ireo mpanorina ny Zanabaliha sy ny mpikambana ankehitriny, fa omena lanja sy hasina lehibe ny hafatry ny Pr. Rakoto Ratsimamanga Albert. Hanohy ny lalany ny Zanabaliha ka hosokafana avy hatrany ireo sampana ireo.
Hajaina ireo lamina efa mipetraka
Efa ananan’ny Zanabaliha ny mpikaroka sy ny mpampianatra raha ho an’ny sampana valiha. Tafapetraka ny lamina amin’ny kabary izay hiainga any amin’ny fototra. Afaka andro vitsy, hisokatra ny sampana dihy sy hira malagasy. Hisy ny mpampianatra azy ireo. Hotarihin’ireo mpanoratra sy poeta nanangana ny sampana soratra teo anivon’ny Zanabaliha tany amin’ny taona 1995 ny fikoloana sy fanatevenana ny talentan’ireo mpikambana sy izay liana amin’ny soratra ka hanatevina izany sampana izany.
Efa tafapetraka ihany koa ireo vinanasa taona 2025 ho an’ny Zanabaliha. Ankoatra ny hetsika hiantsorohan’ny sampana tsirairay, saika iarahan’ny sampana efatra manatanteraka ny ankamaroan’ny vina sy tetikasa 2025. Nitsidika nandritra ny fihaonana, omaly, fa tsy hijanona eo amin’ny sehatry ny firenena ny dingana hotanterahin-dry zareo fa hivelatra ivelan’i Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto