Mikendry ny hanatsarana ny tanàna hatrany ny vondrona Filatex. Ho fanamarihana ny faha-10 taona nijoroan’ny Filatex-Immo, hatsangana ny « Residense Vega ».
Ho avokavoka maitso eto Iarivo, hametraka fotodrafitrasa miavaka sy tsy manam-paharoa ho mariky ny fahafolo taona nijoroany ny Filatex-Immobilier na ny Filatex-Immo. Nanomboka niditra tamin’ny sehatry ny fandraharahana trano sy tany tamin’ny alalan’ny katalaogy izy ireo ny taona 2013. «Voalohany nivarotra trano tamin’ny alalan’ny katalaogy teto Magadasikara izahay», hoy ny tale misahana ny varotra eo anivon’ny vondrona Filatex, Stephen Andriatsimbazafy, tetsy Ivandry, afakomaly. Folo taona aty aoriana, tontosa avokoa ireo vinavina rehetra nokasain’izy ireo ho tanterahina tamin’izany fotoana. Anisan’izany, ny fananganana ny «Residence Malaga sy Eden» ao Ivandry, sy ny tanàna vaovao naorina eny Ankadimbahoaka hatrany Talatamaty. Velaran-tany 280 000 m2 efa nanorenan’izy ireo trano sy ivontoeran’asa tao anatin’ny folo taona. Manoloana ny fankalazana io fahafolo taona io, ahorina etsy amin’ny fokontany Ivandry ny « Residence Vega ». Hamolavola manokana ny fanantontosana io tetikasa io ilay mpahay taotrano fanta-daza, i Odile Decq. Tanjona ny hisian’ny tontolo maitso tanteraka ka ho anisan’ny hanome endrika ny tanàna sy hanaja ny tontolo iainana izany. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 5 taona ho avy io fotodrafitrasa manara-penitra io ka ahitana villa miisa 30.
Tsiferana R.