Fianarana ho mpitsabo : nivoaka ny andiany Tafika

Tontosa omaly, tetsy amin’ny efitranon’ny Mining Business Centre Ivato, ny lanonam- panjakana manan-danja eo amin’ ny lafiny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny famoahana ny andiany Tafika (Tandroviko ny fitsaboana, koloiko ny aina) avy ao amin’ny Fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Teny filamatra no­sa­fidin’izy ireo ny Tafika. Tany am­boalohany, nahatratra 2 000 ireo mpianatra voaray tao amin’ ny taona voalohany, tao amin’ ny Oniversiten’Antananarivo, lalam-piofanana fitsaboana.
Nihena an-dalana izany ny taona faharoa sy fahatelo ka 291 sisa nahatratra hatramin’izao fotoana famaranana sy nandraisana ny mari-pahaizana ho mpitsabo izao. Mbola mi­sy ny fidirana amin’ny andiany fa­haroa (interne) ka roa taona indray ny faharetan’ny fianarana mialoha ny fanaovana ny thèse. Nohitrikitrihin’ny ray mpi­ahy ny andiany Tafika, Pro­fe­so­ra Randriamarotia Harilalaina Willy Soavina, fa mitady fitiavana, finiavana fikirizana ny asa fitsaboana. Mila mpitsabo ma­hay mampitsiky sy manome fa­nan­tenana ho azy ny marary. Ny marary no andrianina sy ha­jaina, hanamora ny fandairan’ ny fanafody atao aminy. Ny fahitan’ny marary ny mpitsabo eo anilany dia maha be fanantenana ho azy fa ho sitrana.

Sajo

Partager sur: