“Amin’izao, 55% amin’ny distrika manerana an’i Madagasikara no efa nahazo entam-pifidianana”, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny lojistika momba ny fifidianana eny anivon’ny Ceni, Ramangalahy Tsiry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna amin’ny 11 desambra. Aparitaka eny anivon’ny distrika sy ny kaominina ireo entam-pifidianana. Miafara any amin’ny birao fandatsaham-bato izay fanapariahana izay. Araka izany, efa misy kaominina nahazo ny azy. Efa nahazo avokoa ireo heverina fa saro-dalana. Avy eo, eny amin’ny fokontany, ary miafara any amin’ny birao fandatsaham-bato amin’ny fotoana tokony hahatongavany any.
Misy sokajy telo ireo fitaovam-pifidianana sy taratasim-pifidianana nalefa. Eo ny antontan-taratasy tsotra, izay ampiasain’ny mpikamban’ny biraom-pifidianana mandritra ny latsa-bato: taratasy fanekena na fanirahana, karatra famantarana… Manaraka, ny antontan-taratasy saro-pady toy ny biletà tokana, ny fitanana an-tsoratra (PV) na taratasy fanisam-bato. Farany, ny fitaovam-pifidianana toy ny vata fandatsaham-bato fa nohavaozina izay nanana teo aloha nefa simba, jiro, ranomainty tsy maty vonoina… Efa vonona talohan’ny fifidianana ny Ceni, vao mainka fa amin’izao ao anatin’ny fifidianana izao. Azo antoka ny famatsiana fitaovam-pifidianana, araka ny fanazavany.
Nambaran’ny talen’ny raharaham-pifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka eo anivon’ny Ceni kosa tsy azo sokafana ireo entam-pifidianana raha tsy amin’ny andro fandatsam-bato amin’ny 11 desambra.
R. Nd.