Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny Youth Leadership Training Program (YLTP) amin’izao fotoana izao. Nomarihina tamin’ ny hetsika samihafa tetsy amin’ny Carlton Anosy izany, omaly sy afakomaly.
Nomena vahana nandritra ny fankalazana teny an-toerana ny valandresaka sy adihevitra maro samihafa, izay nandraisan’ireo mpampiofana maro teo anivon’ny YLTP anjara. Nomena vahana ny adihevitra mahakasika ny toeran’ ny fampiofanana haitarika eto Madagasikara. «Tanjona ny hamaliana ny filan’ny firenena sy ny sehatra politika ary ny fandraharahana momba ny tontolon’ny haitarika. Manodidina ny 480 ireo tanora nivoaka sy nahavita fiofanana haitarika teo anivon’ny YLTP hatramin’izay nisiany sy nitsanganany», hoy Razafindranaivo Hervé, tomponandraikitry ny tetikasa eo anivon’ny FES sy ny YLTP. Mivoatra hatrany ny filana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao manoloana ny fahaizana ny tontolon’ny haitarika. Nambarany fa anisan’ny antom-pisian’izy ireo ny hampiroborobo izany sy hizara fahalalana amin’ireo tanora maro. Anton’ny fiofanana ny fitarihana ireo tanora mba hahafantatra ny tenany sy ny hafa ary hitondran’izy ireo ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Fiovana goavana
Nahitana fiovana goavana ny vontoatim-piofanana raha oharina tany am-piandohana. Tamin’ny taona 2005, tsy mbola tafiditra ho anisan’ny olana lehibe teto Madagasikara ny fiovan’ny toetr’andro. Vokany, nisy tamin’ireo fandaharanasa sy vontoatin’ ny fampiofanana mahakasika izay tsy natao. Teo koa ny momba ny fampivoarana sy hananana planeta maharitra ary ny tontolon’ny niomerika sy ny maro hafa. Efa nokitihina sy nidirana avokoa izany tamin’ity taona 2024 ity, raha ny fanazavana hatrany. Anisan’ny hetsika ny fampirantiana an-tsary ireo fampiofanana nataon’izy ireo hatramin’izay. Teo koa ny fiaraha-miasa tamin’ ireo mpisehatra ara-politika sy ny maro hafa. Ny hetsika ara-kolontsaina toy ny hira sy mozika. Nofaranana tamin’ny famoahana ireo andiana tanora nahavita fiofanana tamin’ity taona ity ny fankalazana.
Mino