Nifarana omaly ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny Groupement des éditeurs de presse d’information multimédia de Madagascar (Gepimm), teny amin’ ny foibe toeran’ny Ultima Media Antanimena. Naharitra 5 andro ny fiofanana ary Malagasy mpanao gazety miisa enina no nahazo fiofanana mahakasika ny asan’ny «Secrétaire de rédaction”. I Thierry Olivet, teratany frantsay, sy i Domoina Ratsara, samy mpanao gazety matihanina no nampiofana ireo mpanao gazety tamin’izany. Tanjon’ny hetsika ny fampivoarana sy fampandrosoana ny asa fanaovan-gazety malagasy. Eo ihany koa ny fanomezana fiofanana ireo mpanao gazety mba hananany fahalalana sy fahaiza-manao manoloana ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra.
Anisan’ny andry lehibe iankinan’ny fahombiazan’ny gazety iray ny fahafehezan’ny “Secrétaire de rédaction” ny asa sy ny andraikiny eo anivon’ ny gazety. Ny maha izy azy ny “Secrétaire de rédaction” amin’ ny antsipiriany no nampahafantarina ireo mpiofana. Nisy ihany koa ny fanomezana sy fampianarana azy ireo ny fahalalana tokony ho hainy. “Mifamatotra tanteraka ny asan’ny mpanao gazety sy ny Secrétaire de rédaction. Singa iray mampihodina ny asa fanaovan-gazety ny fananana azy izay mahafehy ny fikirakirana ny lamin-tsoratra sy ny lamin-tsary. Izany rahateo no anton’izao fanovozam-pahalalana izao mba hitondrana aingavao ho an’ny tontolon’ny asa an-gazety”, hoy Rakotovao Jean Claude, anisan’ireo nisitraka ny fiofanana.
Lin