« Hazavana ho anao » : Fokontany valo nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro

Nanomboka ny fizarana jiro “Hazavana ho anao” any amin’ny faritr’i Mahajanga, amin’izao fotoana izao. No­san­tarina omaly ny hetsika fizarana izany, tamin’ireo fo­kontany valo ao anatin’ny faritra. No­tanterahina tao amin’ny kianja ao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina, ny fizarana. Miisa 21 279 ireo jiro mandeha amin´ ny herin´ny ma­soandro miaraka amin’ny ko­jakoja nozaraina ireo. Tokony hahay hikajy sy ha­naja ireo fanomezana ny isan-tokantrano tsirairay avy nisitraka izany, raha ny hafatra avy amin’ny iraky ny governemanta nandritra ny fizarana. To­­lotra avy amin’ny Filoham-pirenena ny nahafahana na­nao ny fizarana ho an’ireo mpo­nina any an-toerana. Nitarika ny fizarana izany ireo tomponandraikitra maro samihafa. Anisan’izany, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ny minisiteran’ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tonga nanatrika izany koa ireo manam-pahefana maro samihafa any an-toerana.

Mino

Partager sur: