Judo – Open de Dakar : nahazo medaly 3 ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny “Open d’Afrique de Dakar”, taranja judo, natao ny 21 novambra teo izay hifarana anio. Medaly 3 no azon’ny Malagasy.

Vokatra tsara no azon’ny Malagasy niatrika ny fifaninanana “Open d’Afrique de Dakar”, ny alakamisy lasa teo, teo amin’ny taranja judo. Medaly 3 no norombahin’ireo atleta malagasy telo vavy nifaninana tany an-toerana izay samy nahazo iray avy. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg, nandrombaka ny medaly volamena, ny Judokas malagasy, i Benandro Andriamahadiso Roumaica Riantsoa, rehefa nandavo ilay teratany kameroney, i Coly Soukaina, teo amin’ny famaranana niadiana ny laharana voalohany. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 52 kg kosa, Malagasy mpikatroka roa vavy no nifaninana, ka samy nahazo medaly avokoa. Nahazo ny medaly volafotsy, Ramorasata Idealisoa Mian­galihanta ary nahazo ny me­daly alimo, Andrianjafintsa­lama Camille, teo amin’ny sokajy Juniors. Azo lazaina ho nahafa-po raha io vokatra azon’ny Malagasy io, izay nametraka an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faha-5 eto Afrika, tamin’ity fifaninanana “Open d’Afrique de Dakar”, natao ny 21 novambra ary hifarana anio 23 novambra, ity. Laharana voalohany ta­min’izao fifaninanana izao i Sénégal, izay manana medaly volamena 4, volafotsy 2 ary alimo 5. Faharoa i Côte d’Ivoire, izay manana medaly volamena 2 sy volafotsy 3. I Maraoka no laharana fahatelo, izay manana medaly volamena 2 sy alimo 1 ary i Cameroun no fahefatra, ma­nana medaly volamena 2.

Mi.Raz

Partager sur: