Madagasikara- Etazonia : hahazo tombony ny sehatry ny fandraharahana

Sehatra hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Etazonia ny eo amin’ny lafiny fandraharahana. Tsy ho latsa-danja koa anefa ny fandriampahalemana sy ny maha olona.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Am­bohitsorohitra, ny fi­ha­onana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo.

Sehatra maro no noresahina nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, anisan’izany ny eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasi­ka­ra, niresahina mahakasika ireo fampiasam-bola amerikanina ny Millenium Challenge Corporation sy ny Agoa . Tan­jo­na ny ho fanatsarana sy fampivelarana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.
Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fifandraisan’i Mada­ga­sikara amin’ireo firenena maro maneran-tany. Ny Ameri­ka­ni­na izay anisan’ny firenena ma­tanjaka indrindra. Nisy anefa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ ity firenena ity. Anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny toekarena, ny eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, indrindra amin’ny fiadiana amin’ny asa fampihorohoroana. Eo ihany koa ny sehatry ny fitsarana sy ny fanondranana olona tsy ara-dalàna.
Hitondra vokatsoa maro izao fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izao, indrindra ho an’i Ma­da­ga­sikara. Anisan’izany ny fi­si­an’ny tetikasa sy fampiasam-bola amin’ireo sehatra lehibe. Eo ihany koa ny fitohizan’ireo fampiasam-bola amin’ny alalan’ny Millenium Challenge Corporation.

Lin

Partager sur: