Mpitsoa-ponenana : Sambo nitondra somalianina rendrika tao Nosy Iranja

Rendrika tao amin’ny fari-dranomasina ao Nosy Iranja, omaly, ny sambo nitondra teratany somalianina. Efa natsingevan’ny rano ny sambo nitondra azy ireo sady efa nahitana olona maty koa tao anatiny. Nahita izany ny sefo fokontany ao Nosy Iranja, kaominina ambanivohitr’i Be­manevika Andrefana, distrikan’ Ambanja, ka nampandre haingana ny zandary avy ao min’ny zana-tobim-paritra ao Ankingameloka. Tonga teny an-toerana ny zandary ka tao anatin’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa teratany somalianina 70 isa ireto niondrana tao anaty sambo ireto nikasa hitsoa-ponenana. Niala tany Mali, ny herinandro teo, ireto somalianina ireto kanjo nisy tsy fahatomombanana ny moteran’ny sambo nitondra azy ireo nony tonga tany afovoan-dranomasina. Vokatr’izany, reraky ny hanohanana sady tsy nisotro rano ireo niharam-boina. Voalaza fa maro tamin’izy ireo no efa namoy ny ainy teny ambony sambo saingy efa nariana any an-dranomasina. Omaly ma­raina, tao amin’ny Nosy Iranja, 30 isa sisa ireto somalianina ireto ka efa nisy olona telo maty. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao an-toerana, olona roa hafa koa namoy ny ainy. Miisa 25 isa no velona ka niroso tamin’ny asam-pamonjena azy ireo ny zandary. Nentina hanaovana fanadihadiana izy ireo saingy mbola hanaovana fizaham-pahasalamana satria ahina ho mitondra valanaretina. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: