Mahatsikaiky! Nihomehy tamin’ny nanjo ny tovolahy iray nitondra moto nandalo teny Tanjombato ny olona rehetra. Avy any amin’ny arabe izy ka niditra ny tetezamby mivoaka eo akaikin’ny banky iray eny an-toerana. Nahatsikaritra tovovavy roa izy teo am-pivoahana ny tetezana ka niherika sady nampaneno klaxon no mbola nitodika nijery azy ireo. Ny moto anefa mandeha ihany ka nivoaka ny arabe. Nifatratra tamina andrin-jiro izy ka nianjera. Tsy naninona izy fa avotra soa aman-tsara fa ny moto nentiny no nahitana fahasimbana teo amin’ny lohany noho ny dona mafy nahazo azy. Nisy nahatsirika ny zava-nanjo azy ny teo amin’ny manodidina ka nivanitika. Tsy sahy nanala ny arolohany izy noho ny henatra, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga teny an-toerana. Tsy niandry ela fa vao tafarina ny moto nentina dia niala haingana ny toerana nianjerany izy. Toran’ny fihomehezana hatramin’ireo tovovavy roa nojereny avy aoriana aza, raha ny tatitra voaray teny an-toerana. Tsy vao izao fa efa matetika no misy mpandeha moto tratran’ny trangan-javatra toy izao rehefa mandeha eny an-dalana eny. Ny tandrevaka toy izao ihany anefa no mahatonga ny loza indraindray.
J.C