Rasoanindrina Marguerite: “Hampiarahana ny fampivoarana ny maha olona sy ny sekolin’ny ray aman-dreny”

22 taona ankehitriny ny sekolin’ny ray aman-dreny sahanin’ny mpampianatra, mpanolotsaim-pampianarana misotro ronono, Rasoanindrina Marguerite ( fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Margo). Nanampy mpanabe sy ray aman-dreny maro ny fifampizarana anarivony nentiny teo anivon’ny sekoly, fikambanana, fiangonana, minisitera hatreny amin’ny fiadidiana ny Primatiora. Nizara ny lalana nodiaviny tao anatin’ny taona maro izy.

Taratra (+): Inona ny hamaritana ny sekolin’ny ray aman-dreny sy ny tanjony?
Rasoanindrina M.(-) : Sehatra hanabeazana ny ray aman-dreny manoloana ny fanabeazana ny zanany. Sekoly tsy misy rindrina toy ny mahazatra fa sehatra misy ray aman-dreny sy mpampianatra (ho an’ny sekoly) azo hofanina. Noforonina ity sehatra ity taorian’ny fangatahan’ny mpampianatra izay nahatsapa fa ahiliky ny ray aman-dreny amin’ny sekoly ny fanabeazana ny ankizy. Nisy fampiofanana nomena ny mpanabe ka teo no teraka ny hevitra fa mahomby kokoa raha hofanina koa ireo ray aman-dreny hampirindra ny fanabeazana.
Telo ny tanjon’ny sekolin’ny ray aman-dreny: ny ahafanta­ran’ny ray sy ny reny fa tomponandraikitra mitovy izy manoloana ny fanabeazana ny zanany. Eo koa ny fampitoviana fijery ny ray aman-dreny mpanabe any an-trano sy ny mpampianatra izay mpanabe any an-dakilasy. Farany ny fanomezana fahalalana ny mpivady hitondrany ny tokantranony.
+ Nisy fiofanana manokana nitondra amin’ny fametrahana ny sekolin’ny ray aman-dreny?
– Tsy nisy sekoly namolavola manokana fa nanampy betsaka ny traikefa teo amin’ ny fampianarana. Teo koa ny fa­ha­tsa­pana fa tsy mandray andraikitra ny ray aman-dreny. Zava-dehibe ny fikarohana sy ny vaky boky momba ny “psychologie”. Rehefa tonga ny ray aman-dreny mizara ny olana momba ny fanabeazana ny zanany dia avadika ho lohahevitra hifampizarana ho an’ny daholobe aty aoriana.
+ Inona ny olan’ny ray aman-dreny manoloana ny fanabeazana ny zanany?
– Manome tsiny ny ray aman-dreny fa tsy takatry ny sainy hoe vanim-potoana samihafa no iainan’ny ankizy sy ny ray aman-dreny. Tsy maharaka ny zava-misy, indrindra amin’ny fialan-tsakana, izy ireo. Dingana tsy maintsy andalovan’ny olombelona rehetra ny fialan-tsakana. Fisedrana ny fialana sakana, hamolavola ilay ankizy hiditra amin’ny fiainana nefa raisin’ny ray aman-deny ho olana. Zaraina mandritra ny sekolin’ny ray aman-dreny ny fanabeazana ny ankizy rehefa eo amin’io vanim-potoana io.
+ Tsy azo hihodivirana ve ny sekolin’ny ray aman-dreny raha tiana hahomby ny fanabeazana?
– Tena ilaina tokoa fa tanjona amin’ny hoavy ny hitodika amin’ireo olon-droa vao hiroso amin’ny tokantrano, hofanina mialoha momba ny tokantrano sy ny fanabeazana ny taranaka hoavy. Indraindray misy zavatra tsy azo harenina intsony noho ny banga vokatry ny tsy fahalalana ny tokony ho natao. Ho an’ny jaobily volafotsin’ny sekolin’ny ray aman-dreny (25 taona), hanatona ny faritra rehetra izahay hizara ny traikefa sy ny fahalalana mandritra ny telo taona. Manomboka izao koa, tsy mandeha irery intsony ny sekolin’ny ray aman-dreny fa natao mifanindran-dalana amin’ny fampivoarana ny maha olona.

Vonjy

Partager sur: