«Slam national XV» : vahiny maro no handray anjara amin’ny hetsika

Mivoatra sy mihatsara ary miha matihanina hatrany ny hetsika “Slam national”. Miditra amin’ny andiany faha-15 ny hetsika amin’ity taona ity. Hampiavaka izany ny fisian’ireo vahiny mpiangaly “Slam poèsie” maro manana ny lazany maneran-tany sy manana ny maha izy azy eo anivon’ny firenena niaviany. Anisan’izany i Marc Smith avy any Etazonia, Rouda avy any Frantsa, Rebbeca avy any Allemagne, Bakar Nawiya avy atsy Comores ary Ivans Lafleur avy ao Maurice. Ny 28 novambra hatramin’ny 7 desambra, any Antsirabe sy eto Antananarivo, no hanatanterahina ny hetsika. Fifani­nanana sy fiofanana ary atrikasa maro samihafa no handravaka izany ary hisy ny atrikasa sy fiofanana ary fifampizarana iarahana amin’ireo vahiny ireo.
Ho an’ny fifaninanana, miisa 24, avy amina tanàna 8, ireo mpandray anjara amin’ity andiany ity. Marihina fa misy ny fifaninanana ho an’olon-tokana, misy koa ny ho an’ny isan-tanàna. Tsara ho fantatra fa izay mivoaka ho mpandresy mandritra ity fifaninanana nasionaly ity no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany atao any Paris, ny volana mey 2025.

Lin

Partager sur: