Hotanterahina rahampitso 24 novambra, eny
amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana «Combat Avenir», taranja kick boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force. Efa miditra amin’ny andiany faha-4 ity ady goavana ity, ahitana ny Full Contact, K1 ary ny Low Kick.
Efa nanomboka ny 18 novambra teo, hifarana rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny fiofanana andiany faharoa ho an’ny Licence C Caf. Natao hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpanazatra eto an-toerana moa ity fiofanana ity, indrindra ny fampandrosoana ny baolina kitra.
Ho fanomanana ny taom-pilalaovana 2024-2025, taranja baolina kitra, hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Uscafoot ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny. Tsiahivina fa samy mifanintsana amin’ny fifaninanana nasionaly “PFL” avokoa ireto klioba roa ireto. Ny PFL izay nahemotry ny tomponandraikitra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra.
Vonona hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “Musclemania”, hatao any Etazonia, anio sy rahampitso ny solontena malagasy, i Fitiavana Mickael. Ny ho tafiditra Top 5 maneran-tany no tanjony amin’ity fifaninanana ity.