Telo mianaka namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny tamboho tamin’ny tranon’izy ireo, teny Andrefan’ Ambohijanahary. Nandritra ny orambe no nisehoan’izany, afakomaly vao maraimbe.
Niara-maty, nianjeran’ny trano fonenan’izy ireo teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly, ny olona telo mianaka. Renim-pianakaviana 68 taona sy ny zafiny roa lahy, 18 taona sy 21 taona izy ireo. Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany ireo niharan-doza. Nifanila tamina tamboho ny tranon’izy ireo. “Nirodana tampoka ilay tamboho ka nifatratra tamin’ny trano fonenany”, hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny polisim-pirenena.
Vao maraina, tsy nisy nanampo na inona na inona ny fianakaviana tra-doza. Nirodana tampoka ny tamboho, nidoboka teo amin’ny tranon’izy ireo. Polisy miasa eto an-dRenivohitra no tompon-trano. Rafozany sy zanany kosa ireo namoy ny ainy. Nanao sarotra ny fisokirana azy ireo. Niditra an-tsehatra ny sampana mpamonjy voina. Vokatry ny ora-nikija ny harivan’ny zoma lasa teo no ahina ho niteraka ny firodanan’ilay tamboho namono olona.
Nieren-doza
Ankoatra ireo telo mianaka namoy ny ainy, nentina namonjy toeram-pitsaboana ny zaza fahatelo zanaky ny tompon-trano. Nieren-doza kosa ny mpivady tompon-trano. “Vintana no tsy nahavoakasika azy mivady nandritra io tranga”, hoy ny loharanom-baovao.
Nanoloana ny voina, tonga nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviany ny solontenan’ny fitondram-panjakana. Nitondra ny teny fankaherezana ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Nirintsoa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police Rakotoarimanana Herilala, ary ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie Marie Augustine. Nanotrona azy ireo ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena.
Marihina, anisan’ny fotoana hisian’ny fihotsahana sy firodanan’ny tamboho sy trano matetika ny vanimpotoam-pahavaratra tahaka izao. Mila mailo sy malina mba hisorohana ny loza.
Tsiferana R.