Andriamarotafika Soava – CENI : “Tsy manana fahefana hitsara na hanasazy “

“Tsy afa-mitsara na manasazy ny Ceni “, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­maro­tafika Soava, teny Alaro­bia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny karazana fitarainana voarain-dry zareo momba ny fandikan-dalàna ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Tsy manana fahefana hanasazy ny Ceni, fa manao ny asa firaketana an-tsoratra ary mitondra izany any amin’ny rafi-pitsarana. Miankina amin’ny tranga sy ny porofo hita maso ny amin’izay mety ho endrika nisehoan’ny raharaha izany. Ho an’ny Ceni, zava-dehibe ny fametrahana ny fiantohana ny fitoniana sy ny filaminana ankapobeny. Izay aloha no imasoany, raha ny tranga tao anatin’ny andro vitsy nanombohan’ny fampielezan-kevitra, na ny fihetsiketsahana mialoha izany aza.
Sarotra ny hilaza hoe tsy nampahafantatra ireo toerana na faritra tsy azo aleha sy ana­ovana fampielezan-kevitra ny manampahefana. Mame­traka mandrakariva ny tokony hisi­an’ny fitoniana ny Ceni. Ny mampahatsiahy an’izay amin’ ny mpisehatra amin’ny fifidianana no andraikiny. Mba ha­hazoana miantoka ny fitoniana. “Aoka samy hanaja ireo fepetra hisian’izay fitoniana izay”, hoy izy. Ny ezaka ho fampanajana ny lalàna hisian’ ny fitoniana no heverin’ny Ceni ho zava-dehibe. Mipe­tra­ka mandrakariva amin’ny andraikitra anirahan’ny lalàna azy izy ireo. Toerana na toetra tokony hananany voalohany indrindra ny maha raiamandreny azy eo amin’ny fikarakarana ankapobeny. Heverin’ny Ceni fa adidiny ny manao izay fomba rehetra hampanarahana sy hampanajana ny lalàna amin’ny zava-mitranga.

R. Nd.

Partager sur: