DAKA AN-JORONY: Ianareo mahalala azy

Tsy takona afenina toy ny vay an-kandrina amin’izao fotoana izao fa tena marary ny fanatanjahantena malagasy. Porofon’izany ny fahavoazana mahazo ny baolina kitra sy ny handball raha tsy hitanisa afa-tsy ireo aloha. Hoy ny fitenenana hoe: Rehefa marary ny baolina kitra, tsy salama ihany koa ny firenena. Marina izany satria io no taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena manerana izao tontolo izao. Misy ny firenena sasany any ivelany any, mandany ny tetibolany amin’ny baolina kitra. Eto Madagasikara, malaindaina sy kamokamo izany ny mpiasa sy ny mpianatra raha vao misy faharesen’ny Barea. Mavitrika sy mahavita asa maro rehefa mioty vokatra tsara ary hita miramirana ny endrika amin’ny tontolo androny. Ankehitriny, toa lasa mpifankatia mifanisy ratsy ny roa tonta. Tsy mbola nalazo akory ny ravina nihinanana, ny sarotro niraisana tsy mbola rovitra, no toa lany hanitra sahady ilay fitia ary hadino ny lalana niraisana. Ny tanalahy no mahay manova soratra, ny andro ririnina no tsy mena-mivadika ary ny fo notiavina tsy menatra izay hanadino.
Nahoana no tsy mahay milomano nefa tia robodroboka, sarotim-panina ka tia tevana, sarotin’alahelo ka tia tsidi-pasana.
Tsy tokony hanao sakaizan’ny mpandresy fa na sarotra na mora, iaraha-mizaka fa tsy hoe raha mety dia antsika, raha rendrika dia anareo. Aleo ho toy ny solohy sy firaka, mamay miara-rendrika, mangatsiaka miara-mivaingana. Efa io iaraha-mahita io aloha ny zava-misy, aleo iaraha-manarina fa ny tanana havanana, hono, tsy maharay kifafa, ny tanana havia tsy mahatana sahafa. Ny iray amin’ireo tsy mahavadika bainga raha tsy izy roa no miara-manainga.

Tompondaka

Partager sur: