Vahoaka marobe no tonga niatrika ny
fampielezan-kevitry ny kandidà Harilala Ramanantsoa, teny Mahamasina, omaly. Resy lahatra ny vahoaka ary manantena fanovana sy fampandrosoana raha nandre ny fampahafantaran’ny kandidà ny vinany. Ho tanàna mandroso, milamina, madio, maitso, ary maha te honina moa ny teny filamatr’ity kandidà laharana fahafito ity.
Anisan’ny nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny minisi-panjakana britanika misahana an’i Afrika, i Ray Collins. Ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, anisan’ny noresahin’ny roa tonta koa ny mahakasika ireo mpandraharaha maniry hisehatra eto Madagasikara sy ny diplomasia parlemantera.
Vita ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Le Colisé Ampasanimalo, ny atrikasa nasionaly mahakasika ny vinan’ny fitsarana 2035. Atrikasa nandritra ny roa andro, hamondronana sy hanamafisana ireo hevitra voaray nandritra ireo atrikasa isam-paritany. Tanjona ny hananan’ny fitsarana malagasy tahirin-kevitra stratejika mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny hetahetan’ny vahoaka.
Olona maro no tonga niatrika ny velakevitra arahina adihevitra nokarakarain’ny Centre Arrupe Madagascar Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo. Kandidà dimy amin’ireo fito milatsa-kofidina eto Antananarivo Renivohitra no nandray anjara tamin’izany. Samy niezaka nandresy lahatra tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vinam-pampandrosoany ireo kandidà nandritra izany.