Manamarika ny faha-30 taonany ny Apipa amin’ity taona ity. Mampahatsiahy ny iraka fototra sahaniny izy ireo amin’ny fiarovana ny lemak’Antananarivo. Anisan’izany ny fandrindrana sy ny fitantanana ny fitaovana, ny fotodrafitrasa ary ny fiantohana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondradrano, indrindra amin’izao fotoan’ny orana izao.
Mikarakara sy mamolavola ihany koa ny asa rehetra mety hampivoatra ny fahombiazan’ny rafitra fiarovana. Mandray anjara amin’ny fananganana ny drafitra vonjitaitra manoloana ny ambana mety hisian’ny tondradrano koa izy ireo.
Iraka iandreketany koa ny mandray anjara feno amin’ny famolavolana ireo fitaovana samihafa hoenti-mikajy ny fandrindrana an’Antananarivo sy ny kaominina manodidina. Eo koa ny fanangonana ireo tamberim-bidy araka ny didy aman-dalàna mba hoentina manatanteraka ny asa fiarovana. Farany, ny fanarahana sy fampanarahan-dalàna ny fanotorana tany.
Toerana hiadidian’ny Apipa ny distrikan’Ambohidratrimo, Antananarivo Avaradrano sy Antananarivo Atsimondrano ary ireo kaominina rehetra ao anatin’izany distrika izany, ankoatra an’Antananarivo Renivohitra.
Tatiana A