Haba 0,5% ny Mobile money : hiantraika amin’ny sokajin’olona rehetra

Mitsinjo ny daholobe ny asan’ny tranoheva Cash point, fifanakalozam-bola amin’ny finday. Araka ny fampahalalam-baovao nomen’ny mpandraharaha telo: ny MVola, ny Airtel Money ary ny Orange Money, hiantraika mivantana amin’ny mpanjifa sy ireo mpandraharaha amin’ny Cash Point ny fisondrotana 0,5% ny haba alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday mihoatra ny 150 000 Ar, araka ny tetibolam-panjakana taona 2025. Mihoatra ny 23 tapitrisa ny mpampiasa Mobile money, izay kely fidiram-bola ny ankamaroany. Ilaina amin’ny filana andavanandro, hividianana sakafo, fanafody, saram-pianaran’ny ankizy, sns. Hampihena ny fikirakirana sy ny kitapombolan’ny tsirairay ny fitomboan’ny saran’ ny fifanakalozam-bola, indrindra ny fianakaviana sahirana.
Nambaran’ireo mpandraharaha telo ireo fa manodidina ny 200 miliara Ar isan-taona ny vola arotsaky ny mpanjifa. Hanjavona anefa ny 100 miliara Ar raha mihatra ity fisondrotan’ny haba ity izay hipaka mivantana amin’ny fianakaviana malagasy satria lafo ny saram-pifanakalozana. Hihena ny fidiram-bolan’ny mpitantana ny Cash point. Hihalalina ny fahantrana ary hipaka any amin’ny toekarena ankapobeny.
Ho voakasik’ity fisondrotana ity koa ny zokiolona mandray fisotroan-dronono. Tan­din­domin-doza ny fahafahana manatona mpitsabo sy mividy fanafody.

Njaka A.

Partager sur: