HAPPY STORY of My TENNIS LIFE: Hivoaka ny alarobia izao ny boky

Ambohipihaonan’ny zavakanto sy ny fanatanjahantena, indrindra ny haisoratra sy ny taranja tenisy, ny fotoana hamoahana ny boky Happy story of my tennis life.

Hotanterahina ny alarobia 27 novambra, eny amin’ny Amicale culturelle et sportive d’Ambohi­da­hy (ACSA), ny fampahafantarana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny boky Happy story of my tennis life, nosoratan’i Serge Rami­andra­soa. Misokatra ho an’ ny rehetra ny hetsika ary hanasana ireo mpankafy haisoratra sy boky. Eo ihany koa ireo mpiangaly sy mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny taranja tennis. Tanjona amin’izao fa­moa­hana boky izao ny famaritana lalana ho an’ireo taranaka any aoriana sy ho fampahafantarana ny zava-bitan’ ireo andrarezina eo amin’io taranja io.
Amin’ny ankapobeny, boky mirakitra ireo tantara sy fahombiazan’i Serge Ramiandri­soa teo amin’ny tontolon’ny tennis no resahina ao anatiny. Serge Ramian­dri­soa izay nilona teo amin’ity ta­ranja ity nandritra ny 50 taona. Ny filalaovana, fitantanana teo anivon’ny rafitra maro, fifaninanana maro na­trehina sy nokarakaraina. Izany no mandrafitra ny boky. Fiaraha-mi­asa avy amina olona sy rafitra maro ihany koa no nahatanterahina izany. Anisan’izany ny ACSA, ny Niag ary Randrian­tefy Max, izay niara-nisalahy tamin’i Serge Ramiandrisoa tamin’ny fanatontosana.
Anisan’ny tosika manokana sy manaitra ny hambompon’ny mpiangaly ny taranja tennis ny sahala amin’izao, ahafahany mahita sy mahafantatra ny zava-misy sy miandry azy raha tiany ny handroso sy hiditra lalina kokoa amin’ilay taranja.

Lin

Partager sur: