Tanora 30 avy eto Antananarivo sy Mahajanga ary Toamasina no nisitraka fiofanana ampitain-davitra sy mivantana momba ny fahaiza-mitarika, ny fandraharahana, ny fahaiza-mitantana ary ny ady amin’ny kolikoly. Antenaina hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina izy ireo aorian’izao fiofanana izao.
Nanao asa savaranonando ny tetikasa Produir ny volana septambra teo, tao anatin’ny fanatanterahana ny asa fanamafisana ny moron’ny lakandrano C3, ny fitaterana ireo fotaka avy amin’io lakandrano io sy ny fanamafisana ny fefiloha. Maherin’ny 3 182m3 ny fako ary 1 037m3 ny tsikafona efa nesorina. Fivezivezena kamiao maherin’ny 230 no nahafahana nanary an’ireo fako sy tsikafona ireo mba hanamorana ny asa.
Taorian’ny sekoly dia ny tobim-piantsonana indray no hanohizan’ny ATT ny fanentanana momba ny Aro loza amin’ny fifamoivoizana. Teny amin’ny tobim-piantsonana Fihavanana Anosizato (Zotra RN1), Maki Andohatapenaka (Zotra RN1, RN2, RN4, RN5, RN6) no nanombohana izany, ny herinandro teo. Mbola hitohy ny fanentanana.
Andiany fahenina ny varavarana misokatra atao amin’ireo tobim-pahasalamana maro manerana ny Nosy, toy ny hopitalim-panjakana 97 eny amin’ny distrika, hopitalim-paritra miisa16 ary ivontoerana manokana 2. Hanomezana karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana izany.