Lavon’ny aretina : nodimandry i Rira

Andro manjombona indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo Randriatseheno Wilfried Gervais, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rira “Baban’i Roukia”.

Nolazoin’ny aretina efa elaela ihany izy, ka nampidirina hopitaly tany Mahajanga. Nihombo io aretiny io, ka voatery nampiakarina taty Antananarivo ity mpanakanto ity. Tsy nahatohitra izany anefa, ka nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-67 taonany.
Anisan’ireo mpanakanto nalaza tao Mahajanga, tany amin’ny taona 80 sy 90 tany, i Rira. Ilay hira “Baban’i Roukia” no tena nahafantaran’ny maro azy, ary lasa nataon’ireo mpankafy anarany ihany koa. Efa taona maromaro nialohan’ ny namoahany an’io hira io anefa no tao anatin’ny mozika izy. Anisan’ny nanangana ny tarika Risoboato (Rira, Solo, Boana ary Tossy), izay indray nihira taminy tao Tsaraman­droso, raha ny fitantaran’ireo namany. Namoaka ny hira “Tomany Suzanne”, “Fa tsy anjara”, sns, tamin’izany. Tao anatin’ilay tarika Samy Jao, nivondronan’ireo mpanakanto kalazan’i Maha­janga tamin’
izany, niaraka tamin-dry Clo Ma­hajanga, Hernan ary i Mou­moussa ihany koa izy. Naha­fantarana an’i Rira ihany koa ilay hira “Tantaran’i Mahajan­ga”, izay nampahafantarany ireo toerana malaza any an-toerana.
Mbola eto Antananarivo ny nofo mangatsiakan’i Rira, omaly.

Zo ny Aina

Partager sur: