Mifamita-tena

 

Hatramin’izao, tsy mahafa-bela ny fomba fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra? Fampielezan-javatra raha ny marina: tsipy kely, kitolotolotra. Karazana dona tapany hahazoana erany. Eny, na firy tao-maty aza no nifampitenenana ny amin’izay. Misy mahita sy mahazo tombony hatrany… Famitahan-tena raha ny marina. Na ho an’ny mpanome io, na ho an’ny mpandray.
Andaniny, mamita-tena ny mpizara fanomezana, raha mihevitra fa homba sy hifidy azy avokoa izay mandray izany. Mety efa samy manana ny safidiny ny isam-batan’olona. Fifidianana ifotony no atao izao, ka tsy hoe olom-baovao amin’ny mponina izay mpirotsa-kofidina. Ny fahantrana no tena mampihazakazaka amin’ny fandraisana fanomezana; eny, na marina aza ny hoe tokony hanatrika sy ho liana amin’ny fampielezan-kevitra rehetra eo amin’ny kaominina misy azy ny olom-pirenena. Izay no ahazoany manao fampitahana ny foto-kevitra, vinan’asa, fomba fiasa….
Saingy tsy izay fampitahana izay loatra no inona amin’ny mpifidy? Tsy fampitahana kandidà fa famitahana: eo ny kandidà mihevitra fa hoe hifidy azy raha mandray ny fanomezany, famitahan-tena koa raha ny fandraisana izany no mitondra na mibaiko ny safidy. Izay no tena dona tapany hakany erany. Tsy mahavita taona na volana tsinona izay fanomezana, raha izay no ndeha hatao takalon’ny vaton’ny tena.
Dia tsy hampoizina ny valim-pifidianana amin’izany? Mifamita-tena… Velona koa ny hoe misy hosoka sy hala-bato ny fifidianana. Tsy arakaraka ny olona nanatrika fampielezan-kevitra, nizarana fanomezana, nisaotsaotra sy nampanantena. Samy mety mamitaka na voafitaka amin’izany na ny mpanome na ny mpandray. Rehefa tsy misy ny fizarana fanomezana vao tsy misy fitaka ny fifidianana? Mba tena fampielezan-kevitra tokoa no atao fa tsy fampielezan-javatra na vola…

R. Nd.

Partager sur: