Mpamono olona 2 lahy : namoahana didy fampisamborana

Voasazy higadra dimy taona, sazy mihatra, ireo mpamono olona roa lahy, namono sy nanolana olona samihafa. Izay ny vokatry ny fitsarana azy ireo, tao amin’ny fitsarana ambony, sampana misahana ny ady heloka bevava Toamasina, ny talata 19 novambra teo. Tsy tonga niatrika ny fitsarana izy ireo ka namoahana didy fampisamborana.
Tsiahivina, nanatsatoka antsy lehilahy iray tao Anta­nam­bao, fokontany Fetraomby Brickaville, ny tovolahy iray vao 17 taona, ny 18 jolay 2022. Nilaza ho namono tsy nahy io olona io ny voampanga tamin’ny fotoana nihainoana azy teo anivon’ ny fitsarana. “Nanakana ny lalako io olona io rehefa izaho nikasa hamonjy ny Tsaboraha. Nasiany totohondry ny tavako ka navoakako ny antsy taty amiko”, hoy ny voaheloka. Efa nahazo fahafahana vonjimaika izy taorian’izay. Niroso tamin’ny fitsarana ny vontoatin-draharaha ny tomponandraikitra ka izao voasazy dimy taona sazy mihatra izao izy.
Ankoatra io, lehilahy hafa, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana namoizana ain’olona tao Mangarano, voaheloka dimy taona. Niara-niasa tamin’ny mpivarotena io olon-dratsy io. Sady norobain’izy ireo tamin’ny toerana mangingina, no nolerany antsy teo amin’ny kibony ny lehilahy iray nanjifa ilay vehivavy. Tadidin’ny lasibatra ny endriky ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka voasambotra.

Sajo

Partager sur: