Namearison Robert : “Tsy mijery izay azo tanterahina amin’izay lazainy ny kandidà”

Tokony hisy fijery hafa ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Namearison Robert. ”Mamono tena tsikelikely ny antoko politika”, hoy izy.

“Asa, na tsy hain’ny kandidà hoe: inona ny azon’ny kaominina atao? Indraindray toa te hamaha ny olan’ny fiarahamonina ny kandidà, nefa hadinony fa tsy ao anatin’ny fahaiza-manaony izany”. Io ny fahitan’ ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tamin’ny faran’ny herinandro teo, raha nanontaniana ny fizotran’ny fampielezan-kevitra. Aoka ny tandrifim-pahefan’ny kaominina na ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina no tokony hamoa­han’ny kandidà ny heviny: inona ny paipaika hataony hanatanterahana an’izany? Inona ny endrika fampandrosoana tokony hisy ao anatin’ ny fari-piadidiana misy azy raha voafidy izy? Manana olana rano anondrahana ta­nimbary, ohatra, ny faritra, dia milaza ny kandidà fa hanao fotodrafitrasa. Nefa tsy an’ny kaominina irery fa mety ho kaominina maromaro ny ma­nao azy, ary tsy ho zakan’ny tetibolan’ny kaominina. Mirona handresy lahatra amin’ny fomba rehetra ny kandidà, fa tsy mijery izay azo tanterahina sy ny fiantraikan’izay lazainy.
“Namono tena ny antoko politika”, hoy kosa izy momba ny tsy fahitana firy ny antoko politika amin’izao. Tsy mirotsa-kofidina amin’ny anaran’ny antoko fa amin’ny anaran’ny vondrona politika. Sao efa fotoana hatsarana ny rafitra politika amin’ny lalàna momba ny politika eto Madagasikara izao? Inona ny lalàna miteny momba ny vondrona politika? Nefa izay no hirotsa-kofidina.
Tsapa koa ny fironana loatra amin’ny lehiben’ny vondrona politika. Lasa tsangan’olona no miresaka fa tsy tsangan-kevitra intsony. Mila hatsaraina ny rafitra sy lalàna momba ny politika. Ao anatin’izay lalàna izay no mametraka ny rafitra rehetra.

R. Nd.

Partager sur: