Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra omby. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, noho ny firongatry ny halatra omby. Ny 22 novambra 2024 tamin’ny 2 ora maraina, jiolahy iray tratra nitondra henan’omby iray manontolo tao Ambohibao, kaominina Talata Volonondry, distrikan’i Manjakandriana. Nandritra ny famotorana natao ity jiolahy ity no nilazany fa ombivavy nangalariny tao Amboavahy fokontany Analamanjaka, kaominina Ambohitrolomahitsy, ity novonoiny ity. Nambaran’ny zandary fa tsy nety nilaza ireo namany niaraka nanao ity asa ratsy ity izy. Nilaza izy fa iraka fotsiny ihany. Tsy nilaza ireo olona naniraka azy kosa anefa izy. Taorian’ny famotorana, natolotra ny fampanoavana ao amin’ ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambohitrabiby izy. Nilaza ihany ity farany fa hoe eny Andravoahangy no saika hanaterany io ilan’omby nolanjainy io. Niaiky ny heloka vitany izy.
J.C