“Opération Bokiko”: Tia boky Andriampamaky

Tratra ny tanjona ho an’ny “Opération Bokiko”. Tia boky ny mponin’Andriampamaky, raha notarafina tamin’ny hetsika momba ny boky sy ny vakiboky notontosaina tany an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Liana voalohany indrindra ireo ankizy mpianatra, izay sambany vao nanao atrikasa momba ny fanoratana. Natomboka ta­min’ireo mpianatry ny kolejy ny atrikasa, nifantoka tamin’ny lo­hahevitra “Sao bevohoka aloha loatra”. Niara-dalana tamin’ny hetsika ny fanentanana “Ndao hamaky boky”, fandaharanasan’ny Tranombokim-pirenena.
Tsy ny ankizy ihany, fa maro koa ireo liana tamin’ny “Alim-betso” nokarakarain’ny Faribolana Sandratra. Poeta efatra no nifandimby niantsa, na­hitana an’i Tsitoha Agape, Sandratra Ramarozaka, Endrika Haizana ary Fah Ravelojaona, izay avy ao amin’ ny sampana Anjeva sy Maha­janga. Tanjona manaraka ny famoahana ny bokin’ireo mpikambana raha ny nambaran’ny filohan’ny “Opération Bokiko”.

Zo ny Aina

Partager sur: