Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona “B” nisy azy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiakarana “Top 8” eto Afrika. Lavon’i Maroc, 53 no ho 37, i Madagasikara.
Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny lalao famaranan’ny sokajy “B”, izay nifanandrinan’ny Makis de Madagascar, sy ny ekipa nasionaly marokanina, mpampiantrano. Resin’ny Lion de l’Atlas Maroc, tamin’ny isa 53 no ho 37, ny Malagasy mpilalao. Tsy afaka ny hanohy ity fifanintsanana hiakarana amin’ny “Top 8” eto Afrika ity, araka izany, ny Makis.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry tanteraka ny liona marokanina, nandritra ny 30 minitra, fizaram-potoana voalohany. Nahatondra baolina nentin-tanana maro izy ireo, ka nitarika 29 no ho 0. Taitra tamin’ny torimasony ny Malagasy ka niezaka nampihena ny elanelan’isa teny amin’ny solaitrabe, 29 no ho 15. Isa nentin’ny roa tonta niala sasatra, mitarika ny marokanina.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady ny mpanazatran’ny Makis. Niditra ry Koroka sy Rahery, ka nahita “essaie”, iray minitra nanombohana, lasa 29 no ho 22 ny isa. Taorian’io anefa, nanomboka nihamafy indray ny fanafihana nataon’ny tompon-jaridaina ka lasa 53 no ho 37 ny niafaran’ny lalao. Nandresy i Maroc.
Tsara marihina fa izay tafavoaka tao amin’ny vondrona “B”, hifandona amin’izay voalohany atsy amin’ny “A”, izay misy an’i Tunisie, i Ghana sy i Zambia ary i Nigeria.
Tsy mbola afa-bela
Tsy afa-bela amin’i Maroc, ny Makis. Inefatra amin’ity ny roa tonta no nifanandrina, ka fandresena telo tamin’izany no azon’i Maroc. Raha tsiahivina, ny taona 2005, ny fifanandrinana voalohany, tany France. Nomontsanin’ny ekipa nasionalin’i Maroc, 43 no ho 6, i Madagasikara tamin’izany. Ny faharoa kosa, natao tetsy Mahamasina, ny taona 2012, niondrika teo anatrehan’ny Makis, 35 no ho 28, ry zareo marokanina. Noresen’ny lion’i Maroc, 57 no ho 33, i Madagasikara, nandritra ny fihaonana fahatelo, ny 2017.
Fandresena iray sy fahalavoana iray, no azon’ny Malagasy mpilalao 31 nandrafitra ny Makis, nandritra ity fifaninanana afrikanina ity. Marihina fa nandresy an’i Cameroun, 7 no ho 33, i Madagasikara, ny 20 novambra lasa teo.
Fitia Randria