Semafa: Mangataka tolo-tanana amin’ny fitaizana ireo zaza varira

Misedra olana amin’ny fitaizana ireo zaza manana toe-tena varira ny Semafa ao Farafangana.Angatahana tolo-tanana amin’ny Malagasy ny famahana izany.

Manatanteraka tolo-tanana hanampiana ireo ankizy varira ao amin’ny Sekoly mampiaty Fa­rafangana (Semafa) ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, izay tarihin’ny filohany, Soja Fulgence. Misokatra ho an’ny olon-drehetra ny tolo-tanana. Hatao etsy amin’ny Tranom­bo­kim-pirenena Anosy, amin’ny 28, 29 ary ny 30 novambra ho avy izao izany.
Mandalo olana amin’ny resaka sakafo ireo zaza tezaina ao. Tsy maharaka ny fa­ma­tsiana izany ka izao hanaovana tolo-tanana manokana izao. Tanjona ny mba hahafahana manohy ny fitaizana ao anaty fandriampahalemana. Voatery haverina eny amin’ny fianakaviany ireo zaza taizaina ireo raha sanatria ka tsy zakan’ny akany ibeazany ny famatsiana ny sakafony. Toe­rana ahafahana miaro ny ankizy manana toe-tena varira anefa ny ao amin’ny Semafa.
Tandindonin-doza amin’ny fakana an-keriny izy ireo rehefa eny amin’ny fiarahamonina tsy misy mpiahy. Iaraha-ma­ha­fantatra rahateo ny fijalian’ny ray aman-dreny mitaintain-dava amin’ny ain-janany noho ny fakana an-keriny sy fakana voamaso izay tsy ahitana vahaolana. Miisa 67 ireo zaza tezaina ao amin’ny Semafa Farafangana. Avy ao amin’ny faritra Fitovinany ny 25 amin’ireo, Atsimo Atsinanana ny 34 ary misy ny avy any Vatovavy. Miara-taizaina amin’ireo ankizy manana fahasembanana hafa izy ireo.
Ny firenena norvezianina no manampy ny akany ao
amin’ny Semafa. Natokana ho an’ny ankizy jamba anefa ny fa­na­mpiana avy amin’ny norvezianina ka sahirana amin’ny fi­sa­hanana ny ankizy varira ny aka­ny. Ao anatin’io telo an­dron’ny tolo-tanana io, araraotina ny fampahafantarana mo­mba ny toe-tena varira sy ny an­tom-pijoroan’ny fikambanana.

Tatiana A

 

Partager sur: