Sombim-baovao

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « XXL Top 20 », federaly II. Norombahin’ny CEA Andranomanalina izany, rehefa lavon’izy ireo, 23 no ho 17, ny 3FAI Ambalavao Isotry. Tsiahivina fa hiakatra Top 12, izay voalohany amin’ity, ary manao lalao sakana kosa, ny 3FAI izay faharoa.
Navoaka ofisialy tao amin’ny pejin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny tolotrasa amin’ny fitadiavana mpanazatra hitantana ny ekipam-pirenena malagasy, Barea. Tsiahivina fa efa maro ny anarana heno sy mandeha eo anivon’ity rafitra federaly ity, raha ny loharanom-baovao voaray.
Mbola niampy medaly volafotsy 1 sy alimo 1 ny azon’ny Malagasy, nandritra ny “Open d’Afrique de Dakar”, taranja Judo. Miisa 5 (volamena 1, volafotsy 2, alimo 2) izany ny fitambaran’ny medaly azon’ny mpikatroka tamin’ity fifaninanana ity.

Partager sur: