Manamafy ny fifamatorana diplaomatika i Madagasikara sy Alemaina. Nanomboka omaly ny dinikasa ifanaovan’ny governemanta roa tonta.
Nanomboka teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny dinika ifanaovan’ny governemanta alemaina sy malagasy. Nitarika ny delegasiona alemaina ny ambasadaoro Oliver Knoerich. Naneho ny fahavononany hanamafy hatrany ny fifandraisana diplaomatika eo amin’ny roa tonta izay efa tamin’ny 1960 izy. Mahatratra 490 tapitrisa euros no natokan’ny governemanta alemaina ho fanohanana ireo tetikasa lehibe eto Madagasi kara. Anisan’izany ny fanatsarana ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina. Eo koa ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mifanindran-dalana amin’ ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ireo tetikasa reo. Miantefa koa amin’ ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka.
Nohamafisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, kosa ny fahavononan’ny governemanta malagasy hampiroborobo hatrany ny fifandraisana diplaomatika. Mifototra amin’ny fiaraha-miasa ahitan-tombontsoa ho an’ny roa tonta izany. Fotoana iray ahazoana mifanakalo hevitra ho amin’ny fampandrosoana ny fifampidinihana.
Nomarihin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa fihaonana ara-pomba ofisialy eo amin’ny governemanta mikendry ny handinihana ny fiaraha-miasa efa misy ny dinika toy izao eo amin’ny sehatry ny diplaomasia. Amin’ izany no hamaritana izay laharam-pahamehana sy handrafetana drafitra stratejika ary hanamafisana ny fifandraisan’ ny roa tonta na marolafy eo amin’ireo sehatra iombonana mahaliana.
R. Nd.