Depiote Sophie Ratsiraka : “Mila fanazavana antsipiriany ny vola Ciad”,

“Amin’ny maha solombavambahoakan’i Vatomandry, mba miahy kosa ny tena raha mijery ny distrika manana kaominina fito, ny sasany 12… Nefa ny an’i Vatomandry 21, ny hafa 40… Nefa mitovy ny valopy na ny vola omena ny distrika tsirairay avy”.
Io ny nambaran-dRatsi­raka Sophie Soamiadana teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Izy izay depiote tsy miankina voafidy tany Vatomandry tamin’ny anaran’ ny Ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana. Momba ny vola “Crédit d’investissement des­tiné à l’appui au développement” (Ciad) voarakitra ao amin’ny volavolan-dalàna mi­fehy ny tetibolam-panjakana 2025 ity noresahany ity. Tan­jona ny hampazava ny mahakasika ity vola ity sy ny fomba fizarana azy. Raha nanadihady ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny tenany, nahita hoe tsy misy ny niaingana na ny lalàna momba ny tetibola teo aloha. Koa tsy afa-mampitaha loatra amin’ny an­kehitriny…
Inona no antony nahatonga ny hoe: ity no tetibola omena ny distrika iray? Mba hatao antsipiriany izay. Tokony hifanantsahana amin’ny isan’ny kaominina ny fanaovana fotodrafitrasa fampandrosoana. Na arakaraka ny isan’ny mponina… Izay no vola omena. Mila jerena ny halaviran-toe­rana. Izay no nahatonga azy nanontany izay antony nisafidianana ny vola omena ny distrika. Ny sasany 500 tapitrisa Ar, ny an-dry zareo 300 tapitrisa Ar nefa misy kaominina 21. Inona no antony tsy hanomezana 500 tapitrisa Ar toy ny an’ny hafa? Nefa samy mitsinjo ny distrika misy azy. Fampandro­soana no anomezana an’io vola io isaky ny distrika. Tsara hazavaina izay antony tsy mampitovy azy, fa mba tsy hatao bango tokana izany.

R. Nd.

Partager sur: