Famokarana: Sahy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny vehivavy

Lasa fitaratra ho an’ny rehetra ny fikamba­nam-behivavy Miavotra, afaka miatrika ny fiovan’ny
toetr’andro. Ifantohany ny fambolen-kazo, ny fambolena ekolojika, sns.

Mandray andraikitra ny vehivavy manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo mananaina sy ny fanatsarana ny fomba famoka­rana, indrindra ny fambolena, foto-piveloman’ny tontolo ambanivohitra. Singanina amin’izany, ny fikambanam-behivavy Miavotra, ahitana mpikambana miisa 129 any amin’ny fokontany Mangalaza, kaominina Manakambahiny, distrika Ambaton­drazaka. Anisan’ny Tantsaha mpampiofana (PF) Rahanjarilala Fanjava, nahazo fiofanana ara-teknika avy amin’ny Conserva­tion international (CI), ny fambolem-bary sy ny voly avotra. Novatsiana masomboly vary an-drano izy ireo sy ho an’ny voly avotra (korzety, kôkômbra, tsaramaso, katsaka, poivron, haricot vert, anana, sns) ary fitaovam-pamokarana. Ampiharina ny ady gasy hiadiana amin’ny bibikely, ampiasana ravinkazo afangaro, ka alona rano.
Ritra ny rano
Niofana ho mpamokatra zana-kazo kosa i Bakolinirina Sambatra. Namboly zana-kazo 1 000 isam-bolana ny fikambanana Miavotra, ka 15 000 tao anatin’ny 2 taona, tamina velaran-tany 2 ha. Karazan-javamaniry hazoala no nambolena, satria tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny ala. Maniry ny 70% ny zana-kazo nambolena. Voatery natsahatra aloha izao ny fambolen-kazo satria tsy ampy ny rano. Tranga iray mampiseho mivantana ny fiovan’ny toetr’andro ny loharano sy ny renirano ritra. Nilaza R. Fanjava fa maro ny voly simba, lasa mivalo-mainty ny ravina, ka tsy matin’ny ady gasy intsony ny bibikely satria tsy misy ny rano. Vahaolana hitan’izy ireo ny mangady lavadrano na vovo hanondrahana ny voly, saingy tsy maharaka satria kely ny rano azo.
Aorian’ny tetikasa tohanan’ny CI, vinan’ny fikambanana Miavotra ny hanitatra ny famokarana zana-kazo maharitra, toy ny kafe sy ny voankazo, entina mampidi-bola, hanatsarana ny velon-tena. Efa maro ny olona maniry ny hividy zana-kazo amin’ izy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: