« Laharam-pahamehana ny fitsinjovana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny isam-batan’olona eto Antananarivo Renivohitra », hoy ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Efa misy ny vina mifanaraka amin’izany, sahala amin’ny fampananana asa sy ny fampiofanana arakasa. Ny olona no harena ka zava-dehibe ny fitsinjovana ny maha olona, araka ny nambarany hatrany.
Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe ny alatsinainy 25 novambra teo, teny amin’ ny Lapan’i Tsimbazaza, ny volavolan-dalàna faha-018/2024 sy faha-019/2024. Samy fankatoavana findramam-bola eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banque africaine de développement (Bad), ankilany, sy ny Fonds africain de développement (Fad), andaniny, izany.
Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ny delegasionin’ny “Institutions de financement des collectivités locales” (IFCL), omaly. Tao anatin’izany no niresahina mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ny fampandehanan-draharaha ary ny fampandrosoana.
Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny avy eo anivon’ny Ceni. Fitarainana momba ny fandikan-dalàna amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra eny amin’ ny toerana tsy tokony hanaovana izany no maro amin’ ireo voarainy. Tsiahivina fa voararan’ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny mamory vahoaka na mametaka petadrindrina amin’ny toeram-pivavahana, tranom-panjakana, toby miaramila ary toeram-pianarana.