Tsy mitsaha-mitombo ny fifamoivoizan’ny fiarakodia eto amintsika, izay manafaingana ny fahapotehan’ny lalana. Koa, natsangana ny Tetikasa fampivoarana ny fahaiza-mitantana amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Manohana azy ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny Jica. Dingana andrana no hatao, hampiasana ny teknolojia niomerika entina hanatsarana ny fitantanana ny antontam-baovao mahakasika ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Tanjona ny hananana fotodrafitrasa mafy, mateza ary maharitra. Hanamora ny fomba fiasa izao paikady vaovao izao. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso, ny fanarenana ary ny fametrahana ny paikady. Fanavaozana lehibe izao hatao izao, miohatra ny fomba fanao teo aloha. Hatramin’izay mantsy, atao an-tsoratra ny fanangonana ny antontam-baovao ary ny faritan’ny olombelona ny fandaharam-potoana. Miova izany ankehitriny, satria mazava sy amin’ny antsipiriany kokoa ny fitantanana ampiasana ny
niomerika.
Natao ny 18 novambra teo, ny fivoriana fahafiton’ny Vaomiera iombonana mandrindra ny tetikasa, sy ny fankatoavana ny boky mirakitra ny antontam-baovao mahakasika ny lalana sy ny tetezana. Nitarika ny fotoana ny sekretera jeneralin’ny MTP, i Sambisolo Emile Joseph, sy ny mpiara-miasa aminy ary ny avy amin’ny Jica.
Hahazo tombontsoa lehibe ny governemanta malagasy amin’ny F3LTM satria manana teknisianina ampy traikefa ny Jica mahakasika ny lalana sy ny tetezana.
Njaka A.