Hanokatra ny lanitr’i Madagasikara tsy ho ela ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Arkia Isaraeli Airlines. Hanao sidina telo eto amintsika izy, hampifandray an’Israely sy Nosy Be.
Hisidina ny lanitr’i Madagasikara, manomboka ny 4 desambra izao, ny kaompania israelianina Arkia Isaraeli Airlines. Hampifandray ny firenena israelianina sy Nosy Be mandritra ny sidina ataony ny kaompania. Ity farany izay mampiasa ny fiaramanidina A 320 ka mahazaka mpandeha hatramin’ny 200 isa isaky ny sidina. Hanao sidina telo eto amintsika ny Arkia Isaraeli Airlines, dia ny 4, 11 ary ny 18 desambra 2024. Tanjona ny hampitomboina ny isan’ny mpizahatany tonga eto Madagasikara sy ho fanokafana ny habakabaka amin’ireo kaompania any ivelany. Kendrena manokana ny hamantarana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika.
Dingana
Manomana tanteraka ny fahatongavan’ny kaompania ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, miaraka amin’ireo mpisehatra voakasika rehetra. Nisy ny fivoriana natao teny Anosy, omaly, mba handaminana ireo dingana arahina amin’ny fahazoan-dalana ilaina sy mandrindra ny lafiny ara-
teknika. Tanjona ny hanajana sy hanatanterahana antsakany sy andavany ny fenitra iraisam-pirenena sy ny lamina manan-kery eto Madagasikara, mba hiantohana ny fiarovana ny fiaramanidina sy ny mpandeha. Atao izany mba hanatsarana hatrany ny fizotry ny sidina sy hampiroboroboana ny fifandraisana ana habakabaka an’ity kaompania vaovao ity.
Marihina fa mitombo isa hatrany ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka avy any ivelany tonga ao Nosy Be, izay mitondra mpizahatany aman-jatony. Izy ireny no ambasadaoron’i Madagasikara sy mampahafantatra ny Nosy malagasy any ivelany ka misarika indray ireo namany hitsidika ny firenentsika.
Henintsoa Hani