Nampahafantarina, omaly, ny komity iraisan’ ireo minisitera hanarina ny valanjavaboahary Tsimbazaza, izay ifandrimbonan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Fanabeazam-pirenena, ny Fizahantany sy ny asa tanana, ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ary ny Serasera sy ny kolontsaina.
Natomboka ny faran’ny herinandro teo, ny tetikasa “Ankizy Mihary” ho an’ny mpianatra eo anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa miisa 3 000 mahery manerana ny Nosy. Tao amin’ny CEG de référence Amborovy Mahajanga no nanamarihana izany. Tanjona ny hikatsahan’ireo mpianatra ny famoronana asa, toy ny asan-tanana rary rafia, ny fiompiana trondro ao an-dobo mba tsy hiantehitra amin’ny fitadiavana asa araka ny mahazatra.
Nampitandrina ny hopitaly CHU HJRA noho ny firongatry ny fisolokiana eny ambony tambajotra sosialy. Betsaka ireo olon-dratsy mampiasa sarin’olona marary entina hangalana vola. Tsy azo atao anefa ny maka sary eny amin’ireny hopitalim-panjakana ireny. Fadio ny mandefa vola amin’ny alàlan’ny “mobile money” fa manatona mivantana ny hopitaly raha te hanampy ny marary.
Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny sisan-drahon’ilay rivodoza Bheki. Manamora ny fiforonan’ny orana tandrifin-drahona, indrindra ho an’ny afovoantany ato anatin’ny roa andro ho avy, kosa anefa izany.