Hotanterahina ny alarobia 27 novambra tolakandro, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny “Andron’ny kilalao malagasy”. Hetsika karakarain’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (Ormada) ho an’ny Malagasy sy ireo liana amin’ izany, indrindra ny ankizy sy ny tanora. Tanjona amin’izany ny fampiainana ny kolontsaina malagasy ho an’ny ankizy sy ny tanora ankehitriny. Kilalao malagasy maro samihafa no ho hita mandritra izany. Anisany ny katro, fanorona, tsobato, avy mangataka sy ireo kilalao nampiavaka ny Malagasy. Handravaka izany ihany koa ny fitantarana angano sy tantara ho an’ny ankizy.
Tsy mijanona amin’ny fampahafantarana ny tantara sy ny vakoka fotsiny fa miditra eo amin’ny kilalao sy zavakanto ihany koa ny Ormada, ankehitriny. Ny kilalao sy ny zavakanto izay tena nikolo ny sain’ ny Malagasy fahizay. Mirakitra lesona entina amin’ny fiainana andavanandro sy mitaiza ny ankizy ireny kilalao ireny. Raha ny katro, ohatra, dia mitaiza ny ankizy hahay hitantana sy handrindra ny eo am-pelatanana miankina amin’ny zava-misy sy ny ho avy. Eo ihany koa ny fanorona izay mitaiza ny ankizy hanana paikady entina miatrika ny fiainana.
Mitaiza sy manabe ny saina sy ny vatana ireo kilalao ireo amin’ny ankapobeny. Mampianatra ny ankizy hiombona sy hihavana ary hiara-hiasa ihany koa izy ireny. Takon’ireo kilalao avy any ivelany sy nentin’ny vahiny anefa izy ireny ankehitriny ka zary ireny indray no mikolo ny sain’ny ankizy malagasy. Miova manaraka izany ihany koa anefa ny fiarahamonina ka very tsikelikely ny kolontsaina sy ny maha antsika antsika.
Lin