LTP Mahajanga: hisy sampam-piofanana momba ny BTP

Nidina ifotony any amin’ny faritra Boeny ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny herinandro teo. Nitsidika ireo Lycée teknika sy ivontoeram-panofanana ao Mahajanga izy. Tao amin’ny LTP Mahajanga, nisy ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fampianarana teknika, ny AFD ary ny CNEF-BTP mahakasika ny fanokafana sampam-piofanana momba ny BTP, izay hahazoana ny mari-pahaizana CAPS. Vinaniana hisokatra amin’ny taom-pianarana 2025-2026 izany, araka ny fanazavana. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny ivontoeram-panofanana ho an’ireo olona marefo sy manana fahasembanana (CRPPV) ny asa. Mampiavaka ny ivontoerana ny fisian’ny sampam-panofanana fanodinana ireo hazandranomasina. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Unesco, nahazo “plateau téchnique” ny tetikasa. Maharitra dimy volana ny fiofanana ary hanaovana fampiharana ny iray volana. Nanaraka fampiofanana tao amin’ny Centre de développement aquaculture ireo mpampiofana io taranja vaovao io.
Namaranana ny fitsidihana ny CFPF Mahajanga izay manana tetikasa hanitatra ireo sampam-panofanana misy ao aminy, izay hosokafana amin’ny taom-pankalazana ny faha-10 taona niorenany.

Vonjy

Partager sur: