« Maman’i Amba » : Teatra manohitra ny herisetra amin’ny vehivavy

Tsy lany ketrika raha ny Compagnie Zolobe. Miala any indray ny « Maman’i Amba », tantara fisehatra mifototra amin’ ny lohahevitra, hanoherana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny manodidina izany.

Misy angano malagasy iray izay hoe «Manam­bady voay». Nalaina avy amin’izay ny «Maman’i Amba», tantara fisehatra noketrehin’ny Compagnie Zolobe ao Antsiranana. La­laovina manokana mandritra ny hetsika fanentanana mandritra ny 16 andro any amin’ny faritra Diana ity teatra ity. Tafiditra rahateo anatin’ny programa amin’ny ady ho an’ny herisetra mianjady amin’ ny vehivavy, izay tohanan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Vondrona eoropeanina izany. Mpisehatra manodidina ny 10 mianadahy eo izy ireo no mamelona ny tantara, izay mpanakanto manan-talenta marolafy avokoa.

Efa nanomboka omaly, tao Ambilobe, ny fanehoana ny “Maman’i Amba”. Hitohy anio, ao Ambanja izany. Hihazo an’i Nosy Be kosa ry Zolobe, rahampitso, ary any Antsi­ranana, ny zoma 29 novambra. Mety mbola hisy tohiny ny fanehoana an-tsehatra ity tantara ity, arakaraka ny fandaharam-potoan’ny fanentanana. Rehefa vita ny fampisehoana, misy hatrany ny fanentanana sy fampahafantarana ny karazana fanohanana hatao amin’ireo vehivavy iharan’ny herisetra.

Raha tsiahivina, nanomboka tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny 8 marsa 2024, no niketrika ny tantara ny Compagnie Zolobe, tao Antsiranana. Nisy ny atrikasa niarahan’izy ireo tamin’ireo fikambanam-behivavy ao an-toerana, nampian’ireo tanora sy ireo lehilahy ihany koa, niaraka tamin’ny ONG Coeur et Conscience. Niainga tamin’ ilay boky “#Zakoa”, nosoratan’ i Hary Rabary, ireo atrikasa ireo, ka nahafahan’izy ireo namantatra ireo karazana herisetra mateti-pitranga, iainan’ny vehivavy.

Zo ny Aina

Partager sur: