Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny mpiasa tao amina toeram-pandihizana iray eny Ambatonakanga ny teratany frantsay roa lahy sy Malagasy roa lahy, ny alin’ny sabotsy teo. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo, niharan’ny fampihorohoroana ara-tsaina sy herisetra ara-batana ireto niharam-boina ireto. Ny mpiasa sady mpitantana tao amin’io toeram-pandihizana io ihany no voalaza fa tompon’antoka tamin’izao fanaovana herisetra izao. Voalazan’ny vavolombelona hatrany fa resaka hasarotam-piaro no nitarika izao vono sy ratra niniana natao izao. Niara-nipetraka sy nikorana niaraka tamin’ireo vazaha ireo ny sakaizan’ny mpitantana io toeram-pandihizana io. Nentin’ny hasarotam-piaro izy ka nodarohany ireo vazaha roa lahy niaraka tamina lehilahy malagasy roa. Hitan’ilay mpitantana io toeram-pandihizana io teny am-pelatanan’ilay sakaizany ny findain’iray amin’ireto vazaha roa lahy ireto. Nangataka hira koa ireto frantsay ireto saingy tsy noraharahian’io mpiasa io noho ny hatezerany ho nanadala ny sakaizany. Raikitra teo ny fifanjevoana, niafara tamin’ny vono sy daroka. Nahitana mangana ny faritry ny vatan’ireto teratany vahiny ireto. Folaka mihitsy ny tongotr’ilay frantsay iray ka tsy afa-nandeha intsony. Mbola manaraka fitsaboana ireo niharam-boina.
J.C