« Orange day » : nanomboka omaly ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra

Natomboka tamin’ny andro volomboasary na ny Orange Day ny 16 andro natokana iadiana amin’ny herisetra. Nitarika ny fotoana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy.

Nomarihana, omaly, teny amin’ny Kianjan’ny hira gasy Ampefiloha, ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Toy ny isan-taona, manamarika ny “orange day” ny eto Mada­gasikara. Teo ambany fitarihan’ ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) eto Madagasikara, izany.  “Mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”, no lohahevitra amin’ity taona ity. Ho antsika eto Madagasikara, 50,6% amin’ny mponina no vehivavy sy tovovavy (14 tapitrisa). Araka ny antontanisa, vehivavy iray amin’ny telo no iharan’ny herisetra nandritra ny androm-piainany. 13,7% amin’ny vehivavy no iharan’ny herisetra ara-nofo.
Ny loko volomboasary no nosafidiana maneran-tany hanehoana izany ady amin’ny herisetra izany. Tanjona ny ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina. Maneho fana­n­tenana ho an’ny hoavy mamiratra ho an’ireo vehivavy ny loko volomboasary. Nano­m­boka ny taona 2019, nosafidian’ny Tahirin’ny Firenena mikambana misahana ny mponina (UNFPA) ho tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy VBG, Rajoe­lina Mialy.
Anisan’ny nivoitra nandritra izay fotoana izay ny nandanian’ny parlemanta ny lalàna mifehy ny ady amin’ny VBG izay efa mihatra ankehitriny, sy ny fijoroan’ny “centre de prise en charge integré” natsangan’ny fikambanana Fitia etsy Mahamasina. Nanentana ireo tanora izy hanao fifampizarana mahasoa ny fiarahamonina anatin’ny tambajotran-tserasera, nandritra ny kabarany. Fotoana hanombohana ny 16 andro hanaovana hetsika mivaingana entina miady amin’ny herisetra ny “orange day”.

Vonjy

Partager sur: