Ramaroson Jean Michel ; Voafidy ho filoha lefitry ny Fiba Afrika

Vaovao tsara no nitranga teo amin’ny taranja basikety, izay nahavoafidy an-dRamaroson Jean Michel, ho filoha lefitry ny Fiba Afrika.

Notanterahina tany Abid­jan Côte d’Ivoire, ny herinandro teo, ny fivoriambe faharoan’ny birao foiben’ny Fiba Afrika. Fotoana ihany koa nanatanterahina ny fifidianana izay hitantana ity taranja ity indray mandritra ny 4 taona manaraka. Tamin’izany no nahavoafidy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny basiket (FMBB), Ramaroson Jean Michel, ho filoha lefitra eo anivon’ny Fiba Afrika. Mpi­kambana maro eo anivon’ny birao foiben’ny Fiba Afrika no niatrika ity Fivoriambe ity izay notarihin’ny Filohany, i Ma­nave Anibal. Tonga nanome voninahitra izany ihany koa ny filohan’ny Fiba maneran-tany, i Cheikh Saud Ali Al Thani, izay fanindroany izao no nitsidika an’i Afrika, faritra Andrefana, izay notronin’ny mpitambola eo anivon’ny Fiba foibe, Ingo Weiss, sy ny tale rejionalin’ny Fiba misahana an’i Afrika, i Bilé Alphonse, miampy ireo mpikambana eo anivon’ny Komity mpanatanteraka Fiba. Zava-dehibe loatra ho an’ny basikety malagasy ny fitazonana andraikitra mitantana rafitra aty Afrika toy izao, izay vokatry ny ezaka niarahan’ny rehetra nisalahy teto Madaga­sikara ary koa mampitombo ny fisokafan’ny taranja ho amin’ ny sehatra iraisam-pirenena na ho an’ny FMBB na ho an’ireo mpilalao malagasy. Nison­gadina nandritra ity Fivoriambe naharitra 2 an­dro, tao Côte d’ivoire ity, ihany koa ny mahakasika ny “Fiba Afro­basket 2025”, sokajy lehilahy, izay hotanterahina any Angola. Marihina fa anisan’ireo hiatrika ny dingana farany hiatrehina izany Fiadiana ny amboaran’i Afrika izany, ny fiandohan’ny taona 2025 ho avy izao, i Mada­gasikara.

Mi.Raz

Partager sur: