Tontosa ny alahady alina teo, tany Etazonia, ny fifaninanana “Musclemana America”. Ny solontena malagasy, i Fitiavana Mickael, no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany, raha ny vokatra. Efa ela nanomanana izy ary efa nanantena ny hibata ny fandresena rahateo.
Hotanterahina any Mahajanga, eny amin’ny Village Touristique, ny fiadiana ny tompondaka Zone 7, fihodinana faharoa, taranja volley-ball. Firenena 6 no handray anjara, ahitana an’i Comores, Mayottes, Seychelles, La Réunion, Maurice ary i Madagasikara.