Notontosaina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Taekwon-do ITF. Araka ny nambaran’Andrianjaka Miora, filohan’ny kaomisionin’ny Taekwon-do ITF (TKD ITF) eto Madagasikara, natao handrafetana ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena sy eto amin’ny faritra Afrika ity fifaninanana nasionaly ity. Nilaza ihany koa ity lehiben’ny taranja TKD ITF ity fa fifaninanam-pirenena voalohany hatramin’izay 35 taona nijoroan’ ny kaomisionina izay izao natao izao. Raha ny fanazavany, izay vao ara-dalàna tanteraka ny Taekwon-do ITF eto Madagasikara. Nahatratra 110 teo ireo mpandray anjara tamin’ity lalao ity, ary avy amin’ ny ligin’Analamanga, Boeny, Atsinanana ary Alaotra Mangoro, izy ireo. Notsinjaraina tamin’ny sokajin-taona sy lanja ary ny fehikibo ny mpifanintsana ary mizara roa ny sokajin-dalao, toy ny fihetsika mirindra “Tul” sy ny fifanandrinan’olon-droa “Matsogi”. Ankoatra izay, tonga nanotrona ny hetsika, teny an-toerana, ny Federasiona iraisam-pirenena TKD ITF, i Paul Weiler,
9 ème Dan. Tombony ho an’ny Malagasy ity fandalovany ity, sady nampita ny traikefa amin’ ny resaka fitantanana ny tenany no nampiofana ireo atleta malagasy. Tsiahivina fa efa tamin’ ny taona 2015 i Paul Weiler no nandalo voalohany teto, ary naneho ny heviny fa efa nivoatra be ny Malagasy amin’ity taranja taekwondo ITF ity.
Fitia Randria